Isan-taona hatramin’ny faha Mpanjaka, mba ho fampanjariana ny hasim-piandrianan’ny tany, ny Fanjakana, ary ny Vahoaka, no nankalazaina isaky ny tsinambolan’Alahamady ny « andro fandroana teto anivon’Imerina. Nisoronana omby volavita ary niara-nizara ny nofon-kena mitam-piavanana ny Mpitondra Fanjakana sy ny Vahoaka. Ankoatry ny fidiovana, ny fifamelan-keloka ary ny fivavahana ho amin’ny fitahiana, nifaliana sy nisaorana ny Zanahary tamin’ny fahavokarana ihany koa izany. Niaraha-nihinana ny vary amin-dronono notondraha-tantely. Amin’ity taona ity dia ny 11 Aprily izao ny tsinambolana Alahamady. Noho izany, io daty ny fikambanana Tranoben’Imerina no hanatateraka ny « fandroana » eny Ambohimanga. Ialohavan ‘ireo fomba fanao hatramin’izay ary hisiam-pisoronana hanajariana ny hasim-piandraianan’ny tany, ny fiaraha-misakafo ary ny fifanomezan-kasina toy ny nanamarihana azy hatrany am-piandohana. Marihia fa mifantoka tanteraka amin’ny famohazana sy fanetsehanany ara-panahy entina hiarovana ny Gasy amin’ny fisian’ny valanaretina COVID-19 ny « Fandroana 2020-2021 » ho an’ny Tranoben’Imerina.
T.M.