- Publicité -
lundi, septembre 29, 2025
AccueilFaits-DiversFandrobana teto andrenivohitra : Saika lasibatra koa ny fiangonana

Fandrobana teto andrenivohitra : Saika lasibatra koa ny fiangonana

Tsy fantatra intsony ny tena marina manodidina ity asa fandrobana nitranga nadritra ity hetsi-bahoaka teto Andrenivohitra ity. Fiagonana vitsivitsy ihany koa no saika niharan’izany asa ratsy izany ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Nahitana izany teny Anosipatrana, Ambohimahitsy, ary Bevalala. Efa nisy andian’olona nivorivory avokoa nanakaiky ireo toerana ireo izay fantatra sy heno tamin’ny resaka nandeha fa hanatanteraka izany no tanjon’izy ireo. Soa fa nadray andraikitra avy hatrany ny vahoaka ka nametraka ny andri-masopokonolona ka tsy nahomby izany. Raha iverenana ny zava-nitranga, nampahalahelo ny tetsy Atsimondrano ny alin’ny zoma. May sy levon’ny afo tanteraka ny tsena amban-itetezan’i Tanjombato rehefa avy norobain’ireo andian’olona tsy fantatra.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici