Sinema ve sa tena fandrobana ity nitranga tao amin’ny magazay etsy Behoririka. Mbola mipetraka ny fanontaniana hatreto. Ny antony mantsy dia tsy nisy na inona na inona mihitsy tao anatin’ny magazay, na « vitrine » aza. Na izany aza anefa, dia nisy fanafihana izany. Teo amin’ny 15 lahy teo no nanao izay hamohana amin-kery ny toerana. Rehefa voavaha ny varavaram-by, dia niala fotsiny ireo ary nisy andiany hafa indray niditra tao. Magazay efa foana no novantanin’ireo mpandroba. Tao anatin’izay fotoana izay koa no tonga ny mpitandro ny filaminana avy eo anivon’ny polisy ary nanao ny fisamborana. Ireo izay tratra farany no nentin’ireo teny amin’ny biraony ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Fito ireo, raha araka ny fanamarinana natao no notazonina. Etsy andanin’izay, nisy koa ny andian’olona izay nandroba tao anatin’iny fotoana mahamay tetsy Analakely iny. Ny tena nahatalanjona aza, dia ny fiaran’ny Emmo-Regno azon’ireo ny kodiarana. Izany hoe talohan’ny nandorana izany teo amin’ny tokotaniben’ny lapan’ny tanàna, dia mbola samy naka izay azo nesorina aloha ireo mpanararaotra. Ho an’ireto voasambotra, dia sarona niaraka tamin’ny kodiarana izy ireo. Izy roa lahy ireo no nahafeno ho sivy ny olona izay tazonina etsy amin’ny biraon’ny polisy foibe etsy Tsaralalàna. Raha ny fandinihana ny fanaon’ireo olona, indrindra ireo nandroba tetsy Behoririka, dia olona voakarama ireo. Tsy misy olona handroba izany ka nijanona teo amin’ny famakiana ny varavarana fotsiny dia niala. Soa fa mba nijanona andro mazava ny hetsika tetsy Analakely, satria ahiana ho zavatra hafa mihitsy no nitranga raha nitohy ny alina iny. Efa be loatra mantsy ireo mpanararaotra izay nihaodihaody teo an-toerana ary efa niandry fotsiny ny maizin’andro mba hanaovana ny asaratsiny.
D.R