Niala teto an-drenivohitra ireo zandary telo nandritra ny fotoana tsy niasany ary nizotra tany Toamasina avy hatrany. Vao tonga tany indray, niandry kelikely dia efa natao ny “mission” dia ny fandrobàna ny mpandraharaha jirofo iray izay vao avy naka vola tao amin’ny banky. Ny alakamisy tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany teo no nisehoan’izany fanafihana mitam-piadiana teo am-povoan-tanànan’i Toamasina izany. Koa satria zandary tsara ofana ary mpiditra an-tsehatra amin’ny fisamborana olona anaty “sakoroka” ireo telolahy, tsy dia nisy dikany loatra ny fandrobana. Lasa ny volabe izay mihoatra ny 150 tapitrisa ariary. Mihoatra lavitra noho io no azon’ireo, saingy ireo aloha no hita tao amin’ny fiara 4X4 nofaina nanantontosana ny dia nankany Toamasina, ary koa nanafihana. Tsy nisy olana tamin’izy ireo ny barazy marobe teny amin’ny lalam-pirenena, satria nampiasa ny karatra maha-mpiambina lehiben’ny andrim-panjakana – (izay hotononina manaraka) – azy ireo izy telo lahy dia nalalaka ny làlana. Ny tsy fantany dia efa nahazo vaovao momba ity fanafihana ity ny teo anivon’ny pôlisy. Nalefa teny amin’ny lalam-pirenena ny Service Anti-Gang sy ny Unité Spéciale d’Intervention nanao barazy hampijanonana ireo mpitandro ny filaminana mpanafika. Basy avy hatrany no niandry azy ireo raha vao nijanona. Tsy afa-nanohitra intsony satria pôlisy mitovitovy fiofanana amin’izy ireo ihany koa ireo nalefa nisambotra ary maro noho izy ireo. Nampiakarina avy hatrany taty an-drenivohitra ary nentina ao amin’ny biraon’ny pôlisy etsy Anosy mba hatao fanadihadiana. Mbola marobe ny olona hohadihadiana momba ity raharaha ity satria raha ny fantatra dia nanonona anarana maromaro izy ireo. Nanala tena mantsy ireo zandary ary nilaza fa misy mpaniraka tao ambadik’ity raharaha ity. Tsy nisy anefa na taratasy “ordre de mission” na koa porofo afaka manamarika fa ira-panjakana izy ireo. Kanefa dia sady nanao fanamiana miaramila no nitazona basy. Niasa mafy ny teo anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava nanomboka omaly satria mety misy ifandraisany amin’ny fanafihana mitam-basy tsy an-kijanona eto an-drenivohitra ity raharaha ity, raha araka ny fanamarihan’izy ireo.
Didi R.