- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanendahana anaty taxi-be : Roa lahy voasambotra tetsy Ambolokandrina

Fanendahana anaty taxi-be : Roa lahy voasambotra tetsy Ambolokandrina

Efa nanova tokotany filalaovana hafa indray ireo totakely, mpanendaka tao ho ao izay, ao anaty fiara fitateram-bahoaka, eto an-drenivohitra ! Tsy vitsy tokoa no mitaraina sy efa lasibatrar’ireto mpanao ratsy ireto. Saingy hatramin’izay dia saika tafaporitsaka sy tsy mbola nisy voasambotra izy ireo, … raha tsy ny zoma lasa teo.

Nanoloana izay fitarainana marobe izay indrindra antony nanosika ny teo anivon’ny polisim-pirenena hanao hetsika manokana, entina mipaingotra ireto mpanendaka ireto. Araka ny fanazavana azo dia nahomby ny paik’ady natao, satria nisy anankiroa tamin’izy ireo no voasambotra tetsy Ambolonkandrina. « Saron’ny pôlisy ao amin’ny boriborintany faharoa teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpanendaka roa lahy ireto, ny zoma 24 novambra lasa teo.  Polisy manao fidinana an-kianja no nahatsikaritra azy ireo efa nandrahona sy nanendaka olon-tsotra teny Ambolokandrina ka nisambotra azy avy hatrany », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany.

Marihina fa ny iray tamin’izy roa lahy ireto no efa nahazoana fitairanana maro teo anivon’ny tambajotra sosialy. Anisan’izany, ny tranga taorian’ny fikasana hanendaka sy fandratrana olona tao anaty taxi-be teny amin’iny faritra Besarety iny ny voalohandohan’ny volana oktôbra lasa teo. Tsy iza io ranamana io fa ilay rangahy fantatra amin’ny petak’anarana hoe « papaga ». Izay efa nokarohin’ireo mpitandro filaminana fatratra erak’Antaninarivo. Izay tokoa angaha ny hoe ny 99 andro ny an’ireo mpanao ratsy … Voasambotra ihany araka izany ity farany sy ny namany, ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisarian’Ambohijatovo izy ireo ho amin’ny famotorana azy. Misimisia ny tahaka izao ary heverina fa hanaraka tsy ho ela ihany koa ny an’ireo naman’izy ireo hafa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici