Izay mpanendaka voasambotra dia saika niaraka tamin’ny sabatra avokoa teto an-drenivohitra. Vao omaly no nahasarona telo lahy tamin’ny toerana roa samihafa indray ny polisy. « Teo am-panendahana olona niaraka amin’ny antsibe, teny amin’ny faritra CENAM-67ha, ny roa lahy no tratran’ny polisy nanao fanamiana sivily izay efa nialokaloka teny an-toerana ary efa vonona hisambotra avy hatrany », raha araka ny fanazavan’ny polisy. Notohizan’ny loharanom-baovao mitovy fa : « ny mpanendaka hafa iray indray dia tratra tany anelakelatranon’i Nanisana. Teo am-piandrasana ireny olona mody alina ireny ity lehilahy kinanjo ny polisy manao fisafoana indray no nandalo, nosavaina ary nahatratrarana antsy lavalela. Niaiky izy fa saika hanendaka ireny olona tratra alina ireny izay mandalo eo amin’ny manodidina ilay toerana. » Ny hitovizan’ireo tranga roa ireo dia ny fitaovana ampiasain’ireo jiolahy dia ny sabatra izany. Miparitaka loatra ny zava-maranitra ary tsy misy fandaràna mihitsy ny fanamboarana izany. Ireo mpanefy vy etsy sy eroa dia efa mahavita antsy lavalela. Angamba fotoanany izao mba hanaraha-maso ny fiparitahan’ny sabatra satria efa miantraika amin’ny filaminan’ny olon-tsotra. Raha mila sokajiana ho toa ny fitaovam-piadiana ka tokony hanànana alàlana ny fitazomana azy dia tokony ho atao izany satria ny sabatra dia mahafaty kanefa feno eto amintsika. Tsy voatery lalàna izay mitovy amin’ny any ivelany hatrany no hadika fa kosa miainga amin’ny zava-misy iainana eto amintsika. Raha samy hitàna sabatra daholo ny olona, na ny mpanafika na ny miaro tena, tsy ho rà mandriaka isak’izay mandeha?
D.R