- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana : Lasibatra ireo mpiantsena maraina eny Behoririka

Fanendahana : Lasibatra ireo mpiantsena maraina eny Behoririka

Soa ihany fa teo ireo polisy manao fisafoana tsy tapaka eny amin’iny faritra Behoririka iny, izay mbola ao anatin’ny hetsika manokana hamongorana ireo tontakely. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny polisim-pirenena mantsy dia anisan’ny faritra mena amin’ity resaka fanendahana ity raha ny eny amin’iny Behoririka iny ary ireo faritra manodidina misy tsena, toy ny eny Andravoahangy. Ireo mpiantsena maraina no anisan’ny lasibatra ao anatin’izany ary tsy vitsy ireo fitarainana tonga any amin’ny biraon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo izay miandraikitra ireo faritra ireo. Sendra tao anatin’io fisafoana io mihitsy ireto polisy ireto no nahatratra am-bodiomby tovolahy iray, teo am-pisintomana finday teny an-tanana mpiantsena, ny alatsinainy teo. Nifanenjehana avy hatrany moa ity farany ary voasambotra ihany ny niafarany. Nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomosaria. Fa ankoatr’ity farany dia mpanendaka roalahy ihany koa no tratry polisy am-bodiomby, teo am-panendahana finday tamin’iny faritra Rotsirotsy Andravoahangy iny. Samy natolotra tany amin’ny Fampanoavana avokoa moa ry zalahy ireto, ary nadoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici