- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana : Miova endrika vaovao indray

Fanendahana : Miova endrika vaovao indray

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy, fomba fiteny mahazatra io ! Fa dia hita sy voamarina tokoa tato ho ato izay. Asa ve na ilay andro efa manaiky ho fety ka manao izay takatry ny sainy avokoa ireo tontakely hanaovana ny asa ratsiny. Fantatra amin’izao fa misy tetik’ady vaovao entin’ireo mpanendaka manao ny asa ratsiny. Ny iray ilay mody mahafantatra be anao ka mitabataba eny imasom-bahoaka sy manala baraka. Toa izay nitranga teny amin’ireo faritra maromaro teto an-drenivohitra. Rehefa voatily ireo mpiantsena fa misimisy vola any aminy dia manatona izy ary tena mitabataba eo imasom-bahoaka eo. Hambarany sy halainy baraka ilay olona fa hananany volabe. Toa ireny olona mahafantatra tsara ireny mihitsy izy ka raha mandà izany dia vao hiantsoany fokonolona sy ny tariny. Koa dia manome ilay vola takiany tsy fidiny ny olona tratrany. Eto dia matetika vehivavy ilay mpandeka vaovao, raha ny fantatra hatrany. Ny tetik’adin’izy ireo hafa indray dia ny fanatonana avy hatrany ireo toerana fakàna vola mandeha ho azy ireny. Voatilin’izy ireo avy hatrany ny olona avy maka vola. Mody miady eo imason’ilay olona izy ireo. Ka raha vao miditra dia saritahany sy hiantsony vonjeo. Ny sasany tamin’ireo efa voa dia nilaza fa halain’izy ireo baraka fa mpangalam-bady ka tsy milamina izy ireo raha tsy manome vola. Tsy misoratra eny amin’ny handrina tokoa ny ratsy atao, koa aleo mitandrina sy mailo lalandava. Indrindra amin’ity andro manakaiky faran’ny taona ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser