- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanendahana : Mpanolotsaina ao amin’ny masoivoho ilay vazaha

Fanendahana : Mpanolotsaina ao amin’ny masoivoho ilay vazaha

Miasa  eo anivon’ny masoivoho frantsay izy ary mpanolotsaina faharoa an’ny ambasadaoro ny andraikitra tazoniny, raha araka ny vaovao voamarina. Naratra vokatry ny tsatoka antsy nataon’ireo mpanendaka izy, raha tsiahivina kely, raha handeha hizotra ho any Tsaralalàna, rehefa avy etsy Ambatomena. Ny valizy nentiny no lasan’ireo olon-dratsy. Voatery nentina tany amin’ny hopitaly ilay teratany vahiny vokatry ny ratra nanjo azy. Vetivety foana dia tonga teo ny pôlisy avy eo amin’ny boriborintany voalohany, izay misahana an’iny kartie iny. Ny sasany nanao fisafoana ary ny sasany kosa nanampy tamin’ny fitondràna ny marary tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tsy misy ny asan-jiolahy voafehy hatramin’ny 100%, indrindra raha amin’ny toerana be olona.  Isan’izany Analakely. Hita fa efa miezaka ny mpitandro ny filaminana manao izay ho afany amin’ny fampandriana fahalemanana eo amin’ny manodidina. Ary tena nisy vokany tokoa ny fanalàna ireo mpivaro-toaka sy mpisotro eny Analakely amin’ny alina. Niverina nilamina  ny tanàna ary niha-vitsy ny mpandehandeha an-tongotra. Toa nitarika zavatra hafa indray anefa ny filaminana loatra amin’ny maizimaizina sasany, toa an’Ambatomena, satria lasa afaka nanararaotra ny mpanao sinto-mahery sasany. Toa izay nanjo ity vazaha eo anivon’ny masoivoho frantsay ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser