Efa maro tamin’ireo lasibatra tokoa no nanao antso avo teo aloha fa misy sasantsany amin’ireo mpivarotra amoron-dalana no anisan’ny mpiray tsikombakomba amin’ireo totakely mpangarom-paosy sy mpanendaka eny amin’ireo toerana be olona sy misy tsena. Hatreto anefa aloha, tsy mbola nisy iray tamin’ireo voalaza no efa voasambotra na natao fanadihadiana noho izay toe-javatra izay. Nanamafy izany rahateo ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ary nandefa fampitandremana ny tsirairay. Tetikady fampiasan’ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo totakely, hoy izy ireo, ny hoe « manontany vidin’entana eo amin’ny mpivarotra iray ny mpividy. Manombana ny entana amin’ny vidiny ambony ilay mpivarotra. Miady varotra araka izay vola misy any aminy ny mpividy. Tsy raikitra ny varotra , efa fantatr’ilay mpivarotra ny fisian’ny vola any amin’ilay mpividy araka ny ady varotra nifanaovana. Ilay mpivarotra avy eo no miteny amin’ilay olon-dratsy hoe misy vola izao ariary any amin’iny olona iny. Miroso manatanteraka ny asa ratsiny ilay jiolahy, ifampizarana rehefa avy eo ny vola azo ». Mazava ho azy, tsy ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra akory izany. Fa ankoatra ireo mpivarotra dia anisan’ireo mpiray petsapetsa amin’ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy ihany koa ny sasantsany tamin’ireo mpanampin’ny mpamily amin’ireny fitateram-bahoaka ireny. « Mamela malalaka azy ireny hiditra ao anaty fiara mba hanao ny asa ratsiny. Miala eny an-tenatenan-dalana ilay olon-dratsy rehefa mahavita ny asa ratsiny. Ifampizarany ny vola rehefa avy eo », hoy hatrany ny fampitandremana nalefan’ny pôlisy. Amin’izay lafiny izay, raha sendra nanontany ireny « receveur » ireny izahay mahakasika izay dia tsy nandà izay zava-nisy izay tokoa ny sasany. « Matetika dia tratran’ny tsy azo anoharana ihany ry zalahy sasany ireny, indrindra fa ireo zotra mandeha amin’ireo faritra mahamay. Miady aman’aina tsinona fa na izy tenany no ataon’izy ireo mahita faisana, kanefa lalany isan’andro izany, na asainy mangina fotsiny, dia miala izy rehefa vita ny ataony ». Efa tsy vitsy tamin’ireo receveur tokoa mantsy, raha ny fitantaran’ity mpanampin’ny mpamily, manao zotra mihazo an’iny 67ha iny no efa noratrain’ireo mpanendaka tsy nananany antra rehefa niseho nampitandrina ireo mpandeha. Na izany na tsy izany anefa, ny tsy azo lavina ary matoa nandefa fampitandremana ny pôlisy dia tena misy ireo receveur olon-dratsy, kanefa tsy izy rehetra akory, hoy hatrany ireo mpitandro filaminana
m.L