- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana sy sinto-mahery : Voasambotra Aina kely sy Faly

Fanendahana sy sinto-mahery : Voasambotra Aina kely sy Faly

Toerana isan’ny malaza ratsy amin’ny resaka fanendahana sy sinto-mahery amin’iny faritra Mahavoky, Besarety ary Ampandrana iny, raha vao manomboka miha-maizina fotsiny ny andro. Inoana anefa mba hilamindamina indray izany ato ho ato. Voasambotry ny mpitandro filaminana teny an-toerana i Faly sy Aina kely, isan’ireo mpanendaka kalaza lahy eny amin’iny faritra iny, ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo mpisambotra dia efa nisy didy navoakany ny Fitsaràna ny hitadiavana sy hikarohana ireto tontakely, nampahory ireo mponina teny an-toerana, ary dia izao namokatra izao ny fitadiavana azy ireo. Ilay antsoina hoe Aina Kely, araka ny fantatra hatrany dia efa niakatra tamin’ny ambonimbony ny hazany. Manamboninahitra sendra nandalo teny an-toerana mantsy no sendra azy tamin’izay fotoana izay. Marihina fa efa mpamerin-keloka izy roalahy ireto, satria efa nigadra teny Antanimora. Omaly ny nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireo mpanendaka gaigilahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser