- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversFanendahana sy vaky fiara : Mpanasa fiara manararaotra mangalatra sy manendaka

Fanendahana sy vaky fiara : Mpanasa fiara manararaotra mangalatra sy manendaka

Tsy mitsahatra mitady hevitra hafa tokoa izy ireo,  hanantanterahana ny asa ratsiny. Toy ity endrika vaovao entin’ireo mpanendaka sy mpamaky fiara indray hanaovana izany. Maromaro amin’ireo mpampiasa làlana sy tompona fiara tokoa no mitaraina, ny amin’ny fisian’izany amin’ny faritra sasantsany eto Andrenivohitra. Mody manao toa ireny mpanasa fiara eny amin’ny sisin-dàlana ireny indray mantsy ry zalahy amin’izao fotoana izao. Rehefa iny matoky azy tanteraka amin’ny fiara iny ilay tompony no mivadika amin’izay ry zalahy. Tsy vitsy ireo efa tratra. Lasibatra ny “autoradio” sy izay zavatra madinidika lafo vidy ao anatin’ny fiara. Misy amin-dry zalahy ireo mihitsy aza no avy hatrany dia manendaka ilay tompon’ny fiara, any amin’ireo toerana mangingina sy tsy dia be olona. Tiana ny mampiatsiahy fa, tsy ireo rehetra manao ity fitadiavana madio ity akory no manao izany. Ekena fa maro amin’ireny mpanasa fiara ireny tokoa no manala olana an’ireo mpamily. Na izany na tsy izany anefa, tokony ho mailo foana ny tsirairay ary averimberina matetika fa tsy kely làlana ny ratsy. Etsy andanin’izay ihany koa anefa, amin’ity resaka fiara eto Andrenivohitra ity, inoana fa ao anatin’ny drafitr’asan’izay ho mpitantana vaovaon’Antananarivo ny mikasika ireto fiara marobe mipetra-potsiny mameno ny sisin-dàlana ireto. Hatramin’ny fiara tranainy indrindra mantsy ka hatramin’ny hiaka farany dia mitoby eny avokoa, izay sady isan’ny mampiteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana no mampitsiry hevi-dratsy ihany koa amin’ireo olona sasantsany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici