- Publicité -
mercredi, août 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanendahana sy vono olona teto Toamasina : Voasambotry ny polisim-pirenena ireo roa lahy...

Fanendahana sy vono olona teto Toamasina : Voasambotry ny polisim-pirenena ireo roa lahy namono olona

Manao ezaka goavana ny polisim-pirenena eto Toamasina araka ny baikon’ny talen’ny filaminana anatiny atsinanana ny kaomisera Rakotovao Christian, sy ny asa tsy miato ataon’ny kaomiseran’ny boriborintany fahatelo. Tsy ny niandry ela akory dia voasambotry ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahatelo Mangarano ireo roa lahy namono nahafaty an’i Crino sy ny vadiny, raha saika handeha hiasa any afrika atsimo ny alahady 24 aogositra teo I Crino Pierre. Ny vadiny kosa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Tena haingana ny fahatrarana ireto mpanendaka sy mpamono olona ireto, satria iray andro monja taorian’ny vono olona no tratra izy ireo. Efa nohamirinina tamin’ireo vavolombelona nahita ny tranga vono olona fa tena izy roa lahy nahavita namono mihitsy ireo, ka miatrika ny fakana am-bavany azy izy ireo ankehitriny hahafantarana ny marina momba ny raharaha. Raha hiverenana ny raharaha dia avy niarin-tory olona akaiky azy nitrangam-pahavoazana izy mivady ireto ka hamonjy fodiana tamin’ny efatra maraina, no nifanenna tamin’ireo mpanendaka sy mpamono olona roa lahy ireto, ka maty novonoina tamin’izany i Crino Pierre ary naratra mafy ny vadiny.  Hatreto aloha dia tsy misy mipika ny zavatra nambaran’ireto mpamono olona voasambotra ireto mikasika ny anton’ny famonoana, miandry ny fiakarany eny amin’ny fampanoavana vao ahafantarana ny zava-drehetra mikasika ny antony famonoana rehetra.

Malala Didier  

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici