- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanendahana teny Anosy : Voatsatok’antsy koa ny mba niantso vonjy

Fanendahana teny Anosy : Voatsatok’antsy koa ny mba niantso vonjy

Avy eny Imerintsiatosika, vao mba namangy ny ray aman-dreniny no koa naka vatsy mantdritry ny herinandro. Mpianatra amin’ny oniversite tsy miankina iray eto an-drenivohitra ity tovolahy ity ary efa fanaony ny midina any an-toerana isaky ny faran’ny herinandro. Toa ny mahazatra dia mandeha fiara fitateram-bahoaka izy. Rehefa nandalo teo Anosizato dia nisy roa lahy hafahafa fihetsika izay nipetraka avy hatrany teo akaikiny sy taoriany. Teo Anosibe, nidina ireo roalahy saingy tsikariny kosa fa niantso tamin’ny taxi-phone no sady nijery azy. Teo Anosy amin’izay, vao nidina amin’ny taxi-be ity zatovolahy, avy hatrany dia efa-dahy no nibeda azy ary nanendaka izay rehetra teny aminy. Lasa avokoa ny finday, ny vola vatsy rehetra vao nalaina tany amin’ny ray aman-dreniny. Tsy nisy na inona na inona azo natao satria nitazona antsy ireo mpandroba. Mba nisy ramatoa iray nahita ny zava-nitranga ka mba niantso vonjy. Io koa dia voatsatoky ny antsy satria tezitra ireo jiolahy tamin’ny nataony. Mbola ilay lehilahy voaendaka ihany no nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana tao amin’ny Hjra. Tao anatin’izany rehetra izany dia tsikaritr’ilay tovolahy fa teo amin’ny manodidina ny toerana nanendahana ireo roalahy izay hitany niray taxi-be taminy hatreto Anosibe. Mazava hoazy fa efa miasa anaty tambajotra ireto jiolahy ireto ary manaporofo izany koa ilay antso tamin’ny taxi-phone izay heverina fa nampandre ireo mpandroba teo Anosy.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici