Miha-mandroso hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana mahakasika ilay fangalàna an-keriny an’i Arnaud sy Anny, niseho tany Toamasina, efatra herinandro lasa izay. Ny zoma lasa teo, olona telo indray nosamborin’ny zandary sy ny pôlisy tao amina trano fandraisam-bahiny iray tao Moramanga. Nahatratrarana basy PA niaraka tamin’ny bala 14 tany amin’izy ireo ary ody gasy maromaro, voafono kapaoty. Hita tany amin’ireto telo lahy ireto ihany ny « puce »-na finday, izay nampiasain’izy ireo, nifandraisany tamin’ny ray aman-drenin’ireo zaza. Ambonin’ilay fiara tsy mataho-dalàna marika « Nissan Navara », nampiasain’ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nitrangan’ilay fangalana an-keriny. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenana dia ny zoma tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva teo no nanatanteraka fisavana tao amin’ity hôtely ity, taorian’ny angom-baovao azon’ireo. Raha ny fanazavana azo, dia telo lahy izy ireo no tonga tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Tsy nisy afa-tsy lehilahy iray anefa no tao amin’ilay efitra, izay tsy namoha varavarana mihitsy raha tsy nojonoina tamin’ny alàlan’ny tompon’andraikitr’ilay trano fandraisam-bahiny. Voasambotra ihany anefa ilehio, rehefa nisisika ireo zandary. Tamin’ny fisavana ny efitra nisy azy no nahitana ireo zavatra voalaza etsy ambony ireo. Ny namany iray kosa dia efa voasambotry ny pôlisy mialohan’ireo fisavana nataon’ny zandary. Voasambotra teo an-tampon-tanana ihany koa ny naman’izy ireo fanintelony taorian’izay. Araka ny fanazavana azo dia nentina niverina any an-drenivohitr’i Betsimisaraka any izy telolahy ireo, hanaovana fanadihadiana, miaraka amin’ireo zavatra tratra tany amin’izy ireo. Tsy mijanona hatreo anefa fa mbola mitohy ny fanadihadiana. Hatreto kosa dia mbola tsy fantatra ary tsy mbola hita izay misy an’i Arnaud sy Anny.
m.L