- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFangalàna an-keriny karàna: Olona efatra nalefa eny Tsiafahy

Fangalàna an-keriny karàna: Olona efatra nalefa eny Tsiafahy

Niakatra Fampanoavana tamin’ny sabotsy teo, ny raharaha kidnapping karana niseho tety amin’ny faritry renivohitra andro maromaro lasa izay.  Vokany, olona efatra no naiditra am-ponja vonjimaika eny Tisafahy, ka teratany karana ny roa.  Raha tsiahivina ny zavatra niseho, olona roa voalaza fa nanao ny fakana ankeriny no tra-tehaky ny mpitandro filaminana roa andro taty aoriana. Efa natao ny famerenana rehetra momba ny fizotran’izany zavatra izany. Ny alarobia teo, nisy teratany karana roa voaantso tany amin’ny BC, satria nisy fitoriana mahakasika azy ireo momba ity kidnapping ity. Ny iray, araka ny vaovao nomena anay, dia hanotrona ny havany fotsiny izay tena niantefan’ny fitoriana. Izy rahateo no nasaina nitady an’ilay voatory izay avy any Toliara. Nandeha haingana ny rahahara, hoy ny loharanom-baovao. Ny sabotsy nasaina tonga teny amin’ny fitsarana izy ireo.  Tamin’izay no tonga ilay nisy naka an-keriny ary niteny fa ireo karana roa ireo no atidoha naniraka ireo mpaka an-keriny, hoy hatrany ny vaovao voaray. Hentitra ny didy avy eo, satria avy hatrany dia nalefa eny Tsiafahy ireo voatondro. Ny vaovao hatrany no nahalalana fa, ireo izay tena nanao ny heloka, tsy mahafantatra velively ireo karana notondroina ireo.  Teo amin’ny valinteniny dia nilaza ny iray fa tsy misy na dia kely aza ifandraisany amin’ity kidnapping ity. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahalalana fa misy ifandraisany amin’ny vono olona niseho tany Tolira tamin’ny taon-dasa ity raharaha ity.

Nangonin’I r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser