- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversFangalàna an-keriny : Nampidirina eny Tsiafahy ny sivy tamin’ireo voasambotra

Fangalàna an-keriny : Nampidirina eny Tsiafahy ny sivy tamin’ireo voasambotra

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo olona miisa 12 mianadahy voarohirohy tamin’ilay resaka fangalàna an-keriny sy fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Taorian’ny nihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo dia fantatra fa ny sivy tamin’izy ireo no nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy. Ireo telo ambiny kosa nalefa eny Antanimora. Tsiahivina fa ny talata lasa teo izy ireo no saron’ny pôlisy misahana ny heloka bevava. Mbola tratra tany amin’ireto andian-jiolahy ireto ny basy mahery vaika, poleta maromaro, ary akanjona mpitandro filaminana, fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici