- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFangalàna an-keriny : Voasambotra i Rams sy ny tariny

Fangalàna an-keriny : Voasambotra i Rams sy ny tariny

Fakàna an-keriny miisa 12 no hiampangana an’ity raiben’ny jiolahy ity sy ireo namany hafa. Izany « Rams » izany no fiantso azy. Voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava, niaraka tamin’ny namany roa hafa, nandritra ilay fifampitifirana tetsy Ambohimanarina, ny 20 desambra lasa teo. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana, dia efa tamin’ny volana jolay ny jiolahy rain-dahiny roa, antsoina hoe « Ram’s » sy  « Voay » no namoahana didy fisamborana sy fikarohana. Nambara tamin’izany fa isan’ireo olona voarohirohy amina resaka fakàna an-keriny maromaro niseho teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritany izy roalahy ireto ary naman-dry Djaffar sy Sola, araka ny fanazavana hatrany. Efa saika tratran’ ny vela-pandriky ny mpitandro filaminana ihany izy tamin’izany ,saingy asa raha mahay noho ny pôlisy angaha ka tafaporitsika. Dimy volana taty aoriana, toa kisendrasendra ihany no nahasamborana an’i Rams, nandritra ilay fifampitifirana teny Ambohimanarina. Olona efatra no lavon’ny balan’ireo pôlisy tamin’izay fotoana izay, izay nolazaina fa jiolahy rain-dahiny avokoa. Olona telo kosa no azo sambo-belona, ka anisan’izany Rams niaraka tamin’ny namany roa hafa. Mbola tratra teny amin’izy ireo ihany koa ny basy poleta iray sy bala maromaro. Fangalana an-keriny niseho teny Tsaralalana, Ankorondrano, Talatamaty, Isoraka, Anosivavaka, Antsahabe, Tanjombato, Behoririka, Ambanidia, Ambohimanarina, sy ny hafa no hanaovana famotorana sy hanenjehana an’izy telo ireto. Ambonin’izay dia mbola hanaovana famotorana lalina amin’izy ireo ihany koa ilay fanafihana tamin’ny grenady niseho teny Ambohimanarina ny 28 novambra lasa teo. Marihina, araka ny voalazan’ny pôlisy hatrany fa, efa vola an-tapitrisany maro no  azon’ireo jiolahy ireo. Mbola misy ireo namany hanaovana fikarohana, raha ny fanazavana hatrany. Inoana anefa fa mba tena hikaroka sy hanadihady lalina ireo mpitandro filaminana. Ekena fa ilaina « vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo » ary manao antso avo amin’izany izy ireo. Saingy inoana fa tsy hiandry na hihanona amin’izay fotsiny ihany …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser