- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversFangalaram-badin’olona : Mpitandro ny filaminana iray karohin’ny Emmo

Fangalaram-badin’olona : Mpitandro ny filaminana iray karohin’ny Emmo

Tato ho ato izay, dia saika voaresaka foana ireo mpitandro filaminana, tsy amin’ny resaka fandriampahalemana io, fa amina resaka hafa mihitsy. Mpitandro ny filaminana iray no karohin’ny Emmoreg fatratra amin’izao fotoana izao, noho ny resaka fangalaram-badin’olona. Tao an-drenivohitr’i Boina tao no nisy an’ity resaka ity. Araka ny fantatra dia tratran-dragahy vadiny am-body omby teo am-pampirafesana azy niaraka tamin’ity mpitandro ny filaminana iray ity ny vadiny. Ankevitry ny efa fantampantrany ihany angamba ny fandehan’ny raharaha, fa tamin’io tena tsy afa-niala ramatoa. Tsy nila ady sy tsy nanisy olana betsaka tamin’io anefa rangahy, raha ny loharanom-baovao azonay, saingy nangataka ny hisaraka taminy fotsiny. Nangataka ny entany sy fananany rehetra fotsiny izy ary nilaza fa hiala tamin’ny tokantranon’izy ireo tao Manjarisoa. Teo anefa no nipetraka ny olana. Nandà ny tsy hanome izany ilay ramatoa tratra nampirafy ary vao mainka nogiazany, namidy teny amin’ny mpivarotra ny lamba sy ny entana sasantsany. Nanampy azy tamin’izany ilay mpitandro ny filaminana niaraka taminy. Voalaza ihany koa fa nandeha nifindra trano ireto mpifankatia an-tsokosoko ireto ary nentiny niaraka taminy ny fananan’ilay rangahy vadiny. Teo anatrehan’izany zavatra izany dia tapa-kevitra ny hampiakatra ny raharaha ity farany. Namoaka didy ny Fitsarana taorian’izay ny hisamborana ilay mpangala-badin’olona sy ny sakaizany. Nony tonga tany an-tranon’izy ireo anefa ny mpitandro filaminana, dia nitsoaka izy ireo. Tsy hita izay nalehany hatramin’izao, raha ny fampitam-baovao hatrany. Mitohy ny fikarohana arak’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser