Ao anatin’ny fialan-tsasatra tanteraka ny ankabeazan’ny rehetra amin’izao. Ifanosehana ny eny amin’ireo tobim-piantsonan’ny taxi brousse isan-karazany. Manararaotra ihany koa ny mpanao ratsy. Tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tao, tovolahy iray no voasambotry ny fokonolona teo am-pangalarana entan’olona handeha taxi-brousse, ny alarobia teo. Mazava ho azy fa efa raikitra aloha ny daroka isan-karazany vao natolotra ny mpitandro filaminana ny lehilahy. Raha ny fanazavana azo dia matetika saika sakoroka foana ny eny amin’ireo fitobian’ny taxi-brousse, indrindra fa amin’izao vanim-potoana izao. Ireo mpanera indrindra, tsy fantatra intsony izay tena izy sy tsy izy, no miezaka misintona ny entana eny am-pelatanana. Ireo mpanararaotra kosa misikotra tsimoramora ny entanao efa eny ambony tafon’ny fiara na ao anatiny. Iray tamin’ireny ity tovolahy voasambotra ity, tetsy Ambolomadinika. Nisy nahita mantsy ny zava-dratsy nataony ka raikitra avy hatrany ny akoralava sy ny fanenjehana azy. Tsy lasa lavitra dia voapaingotry ny fokonolona ilay mpangalatra ary nampandrenesina ny polisy. Marihina fa olona handeha hamonjy fahoriana ireto olona lasibatry ny mpangalatra entana ireto. Efa nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny polisy any an-toerana ny lehilahy, ho amin’ny famotorana azy.
m.L