Tovolahy iray no nosamborina sy nohadihadiana teny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintan’ny faha-2, taorian’ny herisetra nataony tamin’ny tompon-trano iray vao lasibatry ny olon-dratsy, ny sabotsy lasa teo. Tanim-boanjo tokoa ny anarana ! Ary raha ity tranga iray ity no dinihana dia nolotoin’ity tovolahy vao 16 taona ity ny anaran’ilay olomangan’ny firenena, fanta-daza teo amin’ny resaka pôlitika. Araka ny tatitry ny pôlisy dia “niditra an-tsokosoko tao an-tranon’olona iray mpiray tanàna aminy ny tovolahy iray antsoina hoe Richard A., 16 taona, sy ny namany iray hafa”. Tao anatin’izany dia nanjavona ny solosaina tao amin’ity tokantrano iray ity. Tsy hita mihitsy ny nalehan’io entana very io fa ireo roa lahy no tazan’ny tompon-trano teo an-tokotany. Nitsoaka ilay namany, araka ny fampitam-baovao azo hatrany, raha noratrain’i Richard tamin’ny antsy kosa ity olona nahita azy roa lahy ity. “Rehefa nanontany an’i Richard ilay olona voaroba dia namely tamin’ny antsy avy hatrany izy, ka nahavoa ny tarehiny ary namparatra azy”. Tsy nipetra-potsiny tamin’izao ity olona naratra ity fa nitondra ny raharaha teny anivon’ny pôlisy ary nosamborina ity tovolahy, mitondra anaran’olo-malaza ity. “Tamin’ny fanadihadiana natao taminy dia nilaza i Hervé fa tsy naka izany ordinateur izany. Niaiky anefa izy fa nandratra ilay tompon-trano”, hoy hatrany ny vaovao. Omaly ihany no nohenoina teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana teny Anosy i Richard. Mbola mandeha kosa amin’izao fotoana izao ny fikarohana ilay namany iray hafa, nitsoaka, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L