Môtô telo, izay samy halatra avokoa no tra-tehaka tamin’ny andian’olon-dratsy mpangalatra môtô teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny, ny sabotsy sy ny alahady. Valo lahy ireo voarohirohy tamin’izany no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Avaradrano. Araka ny angom-baovao azo dia nisy ny hetsika manokana nataon’ireto mpitandro filaminana nentina nandrava tanteraka ireo totakely, tambajotra mpangalatra môtô tamin’ny faritra maromaro manodidina an’i Sabotsy Namehana iny. Tao anatin’izany no nahasamborana azy ireo. Nisy tamin’ireo môtô ireo no toa hoe vao avy nangalarin’izy ireo tao amin’ny tokantrano iray tany Miarinarivo Itasy ny alina, ary io tra-tehaka io ny maraina. Marihana fa tra-tehaka teny amin’izy valo lahy ireto ny fitaovana maromaro fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny.
Mirongatra tanteraka indray amin’izao ity halatra môtô ity eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Fantatr’ireo totakely tokoa mantsy ny tetibidin’izany kodiaran-droa izany, indrindra moa fa ireo sokajiana ho « 4 Temps » izay miteti-bidy an-tapitrisany mahery avokoa. Mazàna dia efa tambajotra iray mihitsy ireto olon-dratsy ary miara-misalahy amin’ny ratsy. Ao mantsy ireo mpitily izay môtô azo angalarina, ao ireo mpangalatra izay ary fitaovana tokoa, ao ireo mpikirakira ny lafiny ara-teknika sy mekanika ary mahavita manova tanteraka ny endrik’ilay môtô avy nangalarina sy ny ao anatiny rehetra, ary farany, ao ireo mpanamboatra faktiora sandoka na mpanadio fotsiny ilay môtô halatra.
m.L