Omaly ihany dia efa nandeha ny fitsirihana ny anaran’ny tompon’ny fiara. Kamiao kely miloko fotsy izay nitondra ny laharana XX82 TAU. Ny anton’izany dia noho ny fanimbàna ny fananam-bahoaka dia ny « traverse » na koa ny andry natao avo mba tsy hahafahan’ny fiarabe mivezivezy eo amin’ny làlana mba hampaharitra izany. Io mihitsy anefa no nesorin’ireo mpitaingina ilay fiara rehefa tsy afaka ny fitaovam-pitaterany. Sakana izay ny injenera no nametra ny haavony ary ny olom-pirenena no nametaka azy avy amin’ny alàlan’ny hetsika notontosain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay antsoina hoe Tagnamaro. Nandany fotoana ela mihitsy ny fanamboarana io làlana izay nihotsaka io kanefa tsy nisy niraharaha nandritra ny volana maro. Lavaka be efa ho folo metatra ary manana halava am-polony metatra ihany koa no notsentsemana araka ny fenitra fanamboaran-dàlana. Izany rehetra izany dia ny hatsembohan’ny olom-pirenena no niraraka tao ary ny Minisitera voalaza etsy ambony no nikononkonona ara-pitaovana sy araka olona. Izao indray dia tsy taitra akory ny mpamily sy ny mpandeha tamin’ilay fiara nanala fotsiny, tsy naka sarotra, ny fepetra natao niarovana ilay làlana. Nihazakazaka ny fanadihadiana omaly rehefa nitory ny minisitera tompon’andraikitra. Ny zandarimaria no nanatontosa ny fikarohana ny mpamily sy ny fahafantarana ny anarany avy amin’ny laharan’ny fiara. Araka izany dia omaly ihany dia hita ilay mpamily ny fiara sy ny mpanampy azy ary avy hatrany dia notazomin’ny zandarimaria vonjimaika ary nanokafana fanadihadiana.
D.R