Nivoaka ny didim-pitsarana, ny alakamisy 2 septambra lasa teo, manamafy ny fitazomana am-ponja olona telo momba ny resaka fangalaran-tany eny Ambohimarina Ambatolampy Tsimahafotsy. Fanimbazimbana fasan’olona, ny fanimbana ny voly, famotehana hazo maniry eo amin’ny tany, niditra an-keriny, fandratrana niniana natao, fanapahana hazo, ny fanalana tsato-bato (bornes) teo amin’ny tany, izay ananan’ny tompony “titres” ara-dalàna no vesatra iampangana azy ireo. Nitsoaka tsy hita olona telo ireo, izay karohin’ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Raha ny fitantaran’ireo olona lasibatry ny hala-tany dia nitondra Mpandrefy tany an-tsokosoko teo amin’ny tany mitondra ny “titre N°6503-H ao Ambohimarina Ambatolampy Tsimahafotsy ny vehivavy iray antsoina hoe Tania, anisan’ny olona karohina amin’izao. Niditra an-keriny teo amin’io tany io izy, ary nanangana fotodrafitrasa avy hatrany. Nambaran’ny sefo fokontany, Fanjaniaina fa “nanimbazimba fasan’olona eo amin’io tany io izy, satria nesoriny ny vatom-pasana ary nanorenany trano. Nokapainy daholo ny hazo vaventy rehetra teo, sady nanimba ny zana-kazo miisa 215 nambolena teo izy ireo”. “Bornes” miisa dimy teo amin’ireo tany ireo dia nesoriny avokoa, izay melohin’ny lalàna tanteraka ny fanesorana izany, raha ny fanazavana azy. Nilaza ity vehivavy ity fa tany hafa io alainy io, saingy nanamafy ny avy amin’ny Mpandrefy tany fa ilay tany “St Honoré 2ème partie » mitondra ny laharana 6503-H io bodoiny io. Vao nanomboka ny fanaovana fotodrafitrasa teo amin’ilay tany, dia efa nisy ny didy fampitsaharana nataon’ny kaominina, saingy mbola nikiribiby nanohy izany ireo niditra amboletra. Ny teo anivon’ny Fitsarana efa namoaka matoan’ny didy momba ity raharaha ity, izay nahazoan’ny tompon’ny tany fandresena hatrany.
Voalaza koa fa nitory ny fokonolona izy rehefa nahita fa manana taratasy ara-dalàna ny manana ady aminy. “Na eo aza izany, intelo miantoana io mpisoloky tany io no niakatra fitsarana, saingy resy hatrany. Manana taratasy fampiantsoana azy eny amin’ny zandary io olona io, nefa tsy nipoitra ary izao nohamafisin’ny fitsarana izao ny fitazonana am-ponja azy”, hoy hatrany ny sefo fokontany. Raha ny fanadihadiana, olona maro eny amin’iny faritra Ambohimarina Ambatolampy iny no lasibatry ny fakàna tanin’olona ity. Ampahany amin’ny halatra tany tanterahin’ity ramatoa ity izany, izay voalaza fa mialokaloka amin’ny filazana fa “assistant parlemantaire” ny tenany.
Yv Sam