- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanimbazimbana fasan’Andriana : Olona enina nadoboka eny Tsiafahy

Fanimbazimbana fasan’Andriana : Olona enina nadoboka eny Tsiafahy

Tsy fantatra mazava hatreto izay tena nokasain’ireto andian’olona ireto atao, tamin’ny fasan’Andriana iray tao Andraingory. Ny azo antoka sy voalazan’ireo mpanao famotorana dia nitetika ny hanankarena tampoka izy ireo ka nanao ny tsy fanao : nandeha namaky fasana. Tra-tehaka ary tsy namelan’ireo mpitsara mpanao famotorana raha tsy nidoboka am-ponja. « Fanimbazimbana taolam-balo » no vesatra niampangana azy fito mianadahy ireto, izay saron’ny zandary ny alahady teo, teo am-pangadiana ny fasan’Andriandehibe, tao Mantasoa. Tsiahivina fa teo am-panaovana ny asa ratsy mihitsy ireo no tonga ireo zandary saingy tafaporitsaka, namela ireo fitaovana teo an-toerana. Tsy sarotra anefa no nitady ireto farany ary nopaingorina tsikelikely tany amin’ny misy azy tsirairay avy tany izy ireo. Miisa fito ireo olona voarohirohy ka ny iray tamin’izany dia vehivavy. « Tsy nisy mpaniraka izy ireo, hoy ny zandary fa nasesisiky ny fitiavan-tena dia mieritreritra hanankarena tampoka ka handroba ny tsy azy akory ». Heloka bevava eo anetrahan’ny lalàna tokoa ny fanimbazimbana ny razana, antony tsy nileferan’ny teo anivon’ny Fampanoavana, rehefa natolotra teo anatrehan’izy ireo ny raharaha. Ireo enin-dahy tamin’izy ireo dia nalefa avy hatrany eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, raha nalefa ny Antanimora kosa ilay vehivavy. Ity farany, izay vinanto vao niditra tamin’ny fianakaviana, no tena atidoha nikokitra ity zava-dratsy hoy hatrany ireo mpanao famotorana, rehefa nahafantatra fa taranak’andriana ireo havany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici