Nipoaka ity raharaha ity raha nisy andian’olona nanao fihetsika nanakorontana ny fizarana ny fanafody CVO, teny amin’ny kaominina Fenoarivo, ny Sabotsy lasa teo. Nandritra izany ireo nahatsiaro tena fa tsy hahita rariny eo anoloan’ny Fitsarana mihitsy manoloana ny ady tany ; izay ifanaovany amin’ny tompon’andraikitra misahana ny fizarana ity fanafody ity, dia nanao fihetsika nanaraby sy nitaona olona tsy handray izany. Tsy nampoizin’izy ireo anefa, fa izay hadalàna lehibe izay no nampihazakazaka ny raharaha.
Naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny talata lasa teo ny roa tamin’ireo andian’olona nanohitra fanatanterahana didim-pitsarana ka nisakana ny fakan’ny tompony ny tany bodoin’izy ireo ao Fenoarivo, distrikan’Antananarivo-Atsimondrano. Ireto olona ireto no isan’ireo andian’olona izay namboly korontana tamin’io sabotsy io. Voampanga ho nandrahona ho faty io tompon’ny tany io koa ireto olona ireto, ankoatra ny fanalam-baraka imasom-bahoaka sy fanakorontanana isan-karazany nataony tao anatin’io fandikan-dalàna io. Notsiahivin’ny mpitory, fa nisoloky ihany koa ireto mpifanandrina aminy ireto noho ny fivarotany io tany nampiambenina azy io tamin’ny 2005 ka ny iray amin’ireto voatazona am-ponja vonjimaika ireto no vavolombelon’ny fifampivarotana tamin’izany, saingy milaza ho tompon’ny tany indray izy amin’izao fotoana izao ary mandà fa tsy soniany no ao amin’ireo antontan-taratasim-barotra rehefa novainy ny soniany tamin’ny kara-panondrony vaovao. Olon-kafa izay voatery nividy ny tany fanindroany tamin’ny tena tompony indray no nivarotany tamin’izany ary nivarotra io fananany io tamin’ity tompony ankehitriny ity rehefa niady tamin’ireo nisoloky azy ka nandresy hatrany amin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2015. Tsy mbola afaka nisitraka ny fananany ihany koa anefa io mpividy io hatramin’izao noho ny fibahanan’ireo olona ireo ny toerana na dia efa nezahany aza ny nitady marimaritra iraisana hatramin’ny ora farany, hialan’ireo mpibodo tany ireo.
Nangonin’i T.M.