- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina : Hifarana ny septambra 2020 ny dingana voalohany

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina : Hifarana ny septambra 2020 ny dingana voalohany

Nampahafantatra ny fandehan’ny asa dingana voalohany ao aminy ny seranantsambon’i Toamasina, sy ny Jica mpamatsy ny vola ny zoma misandratra andro teo. Niatrika izany mihitsy ny solontenan’ny masohivohon’i Japon eto amintsika, sy ny tale jeneralin’ny seranantsambon’i Toamasina (SPAT), ary ireo nasaina manokana, ka isan’izany ireo fiarahamonim-pirenena eto Toamasina.

Nandritra izany no nilazan’ny tale jeneralin’ny SPAT, Atoa Avellin Eddy Christian, fa ny dingana voalohany amin’ny asa no efa mandeha amin’izao. Ny fanamboarana ireo vatobe manokana natao hiarovana ny sisin-dranomasina mandritra ny asa fanitarana, sy fanalavana ny fiantsonan’ny sambo eo amin’ny “mole B” ho fiantsonan’ny sambo mpitondra mpizaha tany sy ny “mole C4” ho an’ny sambo mpitondra kaontenera, ary ny fiarovana amin’ny onja na ny “brise lames”. Maharitra 30 volana ny asa fanamboarana ireo vatobe manokana ireo izay misy karazany roa izany, dia ny “dolosses” milanja 50 taonina miisa 2.600 raha ny 2.361 no tena ampiasaina, sy ny milanja 30 taonina miisa 800. Fitaovana nohafarana manokana avy any Japon nataon’ny orinasa Penta – Daiho ny izy ireo, ka miisa 48 ireo fitaovana fanamboarana ny vatobe milanja 50 taonina raha miisa 18 kosa ireo fanamboarana ny vatobe 30 taonina. Handaniana simenitra 23 m3 sy vy milanja 2,5 taonina ny vatobe iray mandritra ny fanamboarana azy, ka telo andro eo no fametrahana azy ao anatin’ilay fitaovana manokana alohan’ny fanapazana azy ety ivelany amin’ny masoandro. Vinaina ny volana septambra 2020 no ho vita avokoa ny fanamboarana ireo vatobe ilaina ireo, ka manomboka eo koa no manomboka ny dingana faharoa amin’ny tena fanitarana ny seranana izay kasaina ho vita ny taona 2025 izany raha izao fandehan’ny asa misy eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina izao.

Ankoatra izany dia efa mandeha ihany koa izao ny tolo-bidy iraisam-pirenena amin’ny asa amin’ny dingana faharoan’ny fanitarana ny seranantsambon’i Toamasina. Ny volana oktobra amin’ity taona ity no heverina hanokafana ireo valopy voaray amin’izany tolo-bidy iraisam-pirenena efa mandeha izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici