Niantehatra tamin’ny « masobe tsy mahita » angamba ireto dahalo roalahy ka teo ambany mason’ireo mpisambotra azy mihitsy no niezaka ny hitsoaka. Kanjo tsy nandaitra tampoka ny ody gasy ary nanefa hatramin’ny ainy … Tratry ny andrimasom-pokonolona tao Fasimena, kaominina Fanjakana, faritra Matsiatra Ambony ireto olon-dratsy roalahy, ny alin’ny 24 desambra lasa teo. Tra-tehaka teo am-pangalarana kisoa sy akoho amam-borona 32 teo an-tanàna izy ireo, raha ny vaovao azo. Niezaka nitsoaka izy ireo tamin’io fotoana io saingy tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy voasambotra. Natolotra ny zandary mba hatao famotorana izy ireo taorian’io, ary fantatra tamin’izay fa isan’ireo dahalo rain-dahiny mampihorohoro any amin’iny faritra iny izy ireto. Heverina araka izany fa nisy naman’izy ireo ary noterena hanoro ny namany ireto roalahy voasambotra ireto. Nanaiky ny hiara-hiasa tamin’ireo mpanao famotorana ireo olon-dratsy ary nilaza ireo namany sy ny toerana misy ny fiafenan’izy ireo. Teny an-dàlana, raha mbola teo am-pikarohana ireo voalaza fa namany anefa izy ireo no nanararaotra nitsoaka, tao amin’ny toerana antsoina hoe Andobo, fokontany Beanagna, teo ambany mason’ireo zandary nanaraka azy ireo. Raikitra teo ny fifanenjehana ary na dia teo aza ny fampitandremana natao azy ireto dia vao maika nanao tsoa-pe nanao tari-dositra izy ireo. Voatery araka izany ireo zandary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ary nitifitra ireto jiolahy nandositra. Voan’ny bala ary maty tsy tra-drano vokatr’izay izy roalahy ireto, raha ny fampitam-baovao azo. Mbola nitohy kosa ny fikarohana ireo olon-dratsy voalaza fa naman’ireto dahalo rain-dahiny ireto any an-toerana. Natolotra ny fokonolona halevina kosa ny vatana mangatsiakan’ireto olon-dratsy ireto.
m.L