- Publicité -
vendredi, août 1, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanjavonan’ny sambo « Luciana » tany Sainte Marie « Cageot »-na labiera...

Fanjavonan’ny sambo « Luciana » tany Sainte Marie « Cageot »-na labiera sivy sisa natsingevan’ny rano

Iray volana aty aoriana, mbola tsy hita foana hatramin’izao izay nanjavonan’ ilay sambo « Luciana » nihazo ny morontsirak’i Sainte Marie iny. Mbola mijanona ho mistery araka izany ity raharaha ity. Efa maro ihany ny fanadihadiana sy fikarohan notanterahina ka hatreto dia « cageot»-na labiera sivy natsingevan’ny rano tao Tanambe Antalaha no hany sisa hitan’ireo sambo telo nalefa nitady ity sambo ity. Marihina fa ny alin’ny 2 aogositra lasa teo no nahitan’ireo mpikaroka ireo « cageot » ireo. Nampandre avy hatrany ny  « Agence Portuaire maritime et fluviale » miandraikitra ny morontsiraka ny kapiteny iray tamin’ireo sambo mpikaroka ny amin’ny fisian’ireo « cageot » nitsingevana ireo. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireto farany nijery ifotony ny zava-misy ka nandray an-tànana ny raharaha. Mbola mitohy araka izany ny fikarohana ilay sambo « Luciana » na dia tsy nahitam-bokany firy aza izany. Raha zohina ny zava-nitranga, sambo iray nitondra olona miisa 13, ka sivy amin’izy ireo dia mpikambana amin’ny « équipage » fa ny efatra hafa kosa no mpandeha tompon’ireo entana 118 taonina nentiny. Raha ny fantatra dia tsy mbola nihoatra ny fatra tokony ho izy ny entana nentin’ilay sambo ka tsy tokony hisy atahorana ny mety hilentehany. Ny 23 jolay lasa teo ity farany no niainga tao Toamasina ary tonga tao Sainte Marie ny ampitson’io, izany hoe ny 24 jolay. Nijanona roa andro tao ilay sambo ka ny 26 jolay indray izy no nanainga ho any Antalaha. Tokony ho tonga tany Antalaha ny 29 jolay lasa teo raha ny tokony ho izy ity sambo  « Luciana » ity saingy nanjavona teny an-dranomasina mampitohy an’i Sainte Marie amin’Antalaha, ary hatramin’izao dia tsy hita popoka izay misy azy. Simenitra 10 taonina sy tafo « tole » ary gasoil 50 taonina sy entana maro samihafa toy ny kidoro « éponge » ary  «cageot»-na labiera miisa 400 no entana nentiny tamin’izany. Sivy tamin’ireo « cageot » ireo ihany anefa hatreto no hita natsingevan’ny ranomasina. Marihina fa efa nisy tamin’ireo entana ireo aza no voatery nanalàna teny am-piaingana mba hisorohana ny loza. Andrasana araka izany izay mety mbola ho valin’ny fikarohana ilay sambo sy ireo olona 13 nentiny.

Niony H.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici