- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversFankalazana ny 26 jona : Mpanendaka 12 voasambotra

Fankalazana ny 26 jona : Mpanendaka 12 voasambotra

Satria fety ny andro dia mba mifety ihany koa ry zalahy tontakely. Teo anatrehan’izay dia nisy ny hetsika nataon’ireo pôlisy avy amin’ny boriborintany voalohany etsy Analakely hamongorana ireto mpangarom-paosy sy mpanendaka eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Vokany, ny andron’ny 26 jona lasa teo, mpanendaka nahatratra teo amin’ny 12 teo no voasambotry ny pôlisy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Saika tsy ampy taona avokoa ny ankabeazan’ireto mpanendaka ireto, ary efa nisazy avokoa. Misy lahiantitra ihany koa anefa, tsy miala fa mbola ao anatin’izany asa ratsy izany. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy dia lehilahy 51 taona no zokiny indrindra tamin’ireto andiana mpanendaka ireto. Omaly izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsarana azy ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici