- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFankalazana ny 26 jona : Nosokafana omaly ny kermesin’ny Foloalindahy

Fankalazana ny 26 jona : Nosokafana omaly ny kermesin’ny Foloalindahy

Taorian’ny fisokafan’ny « podium » entina hanafanana ny fankalazana ny 26 jona, hanamarihana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny niforonan’ny Foloalindahy malagasy dia i Betongolo indray no ambohim-pihaonan’ny mponina Antananarivo, omaly. Nosokafana omaly tokoa ny kermesin’ny Foloalindahy  izay hotanterahina mandritra ny telo andro eo amin’ny kianjan’ny miaramila etsy Betongolo. Lanona izay efa fanao hatrizay ihany izy ity, saingy hiavaka kosa ny amin’ity taona ity satria tsy ny miaramila irery ihany no hanatanteraka izany fa iarahan’ny foloalindahy rehetra. Hanana tranoeva ao avokoa ny polisy, ny zandary, ary ny miaramila. Izany no natao dia hanehoana fa iray tokoa ny foloalindahy malagasy ary samy mikendry tanjona tokana, dia ny fitandroana ny fandriam-pahalemana sy ny fiarovana ny vahoaka sy fanany, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena jeneraly Rakotonirina Richard raha nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy izao hetsika izao, omaly. Hasongadina mandritra ity fety ity ny hoe Foloalindahy manakaiky vahoaka. Ankoatra ny maha kermesy azy, izay ahitana lalao sy fanentanana maro isan-karazany mba hamalifaliana ny be sy ny maro, ho hita ao amin’ireo tranoeva maro isan-karazany eo  an-toerana ihany koa ny fampahafantarana ny tantara sy ny andraikitra sahan’ireo vondrona foloalindahy misy eto amin’ny firenena, dia ny polisy, ny zandary, ary ny Tafika malagasy. Ireto farany izay samy hiezaka haneho izay kanto sy mendrika eo aminy mba hamalifaliana ny vahoaka amin’izao andron’ny hasaramanitra izao. Tsiahivina fa efa ela tokoa no tsy nisy ny lanonana toy izao teo amin’io toerana io raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ny taona 2020 sy 2021 izay nanjakan’ny valanaretina covid iny isika. Noho izay antony izay indrindra no nisaoran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Filoha Andry Rajoelina noho ny nanapahany hevitra hanohana izao hetsika izao. Hetsika izay maneho ny hambompom-pirenena sy hanehoana fa manana ny toerany eo anivon’ny firenena tokoa ny foloalindahy malagasy amin’ny maha tandroka aron’ny vozona azy. Nanatrika izao fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izao moa ireo tompon’andraikitra ambony maro eo anivon’ny foloalindahy izay nahitana ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny solontenan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici