- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFankalazana ny fetim-pirenena : Hampiasa « drone » sy « scanner »...

Fankalazana ny fetim-pirenena : Hampiasa « drone » sy « scanner » ireo mpitandro filaminana

Mpitandro filaminana marobe no hahetsika mandritra ity fankalazana ny fetim-pirenena ity, araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra ambony avy eo anivon’ny Emmo/Far, omaly tetsy amin’ny Tobin’ny zandary tetsy Ankadilalana. « Manodidina ny 1000 eo ho eo no hitandro filaminana eny amin’iny faritra Anosy iny fotsiny, mandritra ny andron’ny 25 sy 26 jona ». Tsy vitan’izay fa mba ho fisorohana sy hitandroana tanteraka ny filaminana, ahafahan’ireo vahoaka mankalaza izany am-pilaminana ary indrindra indrindra ny mba hisorohana ny tsy hiverenan’ilay zava-nitranga tamin’ny taon-dasa dia hampiasa tetik’ady manokana ireto mpitandro filaminana ireto. « Hisy ny fisavàna kara-panondro ny harivan’ny 25 jona, hisian’ny fandesafana afomanga eny Anosy. Toraka izany ihany koa ireo fiara sy môtô mifamezivezy eny an-toerana. Ny andron’ny 26 jona indray dia hampiasa « camera de surveillance » izahay, ary « drone » mba hahafahana manara-maso ireo olona rehetra miditra ao Mahamasina ». Tsy azo atao ihany koa ny mitondra zava-maranitra na vy, na zavatra tsotra mety hivadika ho fitaovam-piadiana ao Mahamasina. Hisy fisavàna henjana araka izany eo am-pidirana, izay hampiasàna « scanner » rahateo, araka ny fanazavàna azo hatrany. « Dieny izao dia efa mampitandrina ireo olona izay mikasa ny hanakorontana io fankalazana io izahay fa tsy hitsitsitsy», hoy hatrany ireto Lehiben’ny mpitandro filaminana eto an-drenivohitra ireto. Manainga kosa ireo olom-pirenena tsirairay mba samy handray ny andraikiny amin’ny filazana avy hatrany amin’izay mpitandro filaminana izay akaiky azy, raha sendra misy zavatra mampiahiahy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici