Tsy toy ny isan-taona fa miavaka ny fanamarihana ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara amin’ity taona. Omena lanja manokana ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona mba hahatsapan’ny Malagasy rehetra ny maha zava-dehibe ny fitiavan-tanindrazana. Tokony hatomboka eo amin’ireo ankizy madinika anefa izany ka nahatonga ny komity mikarakara ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny Fahaleovan-tena (26 jona 2019) nisafidy ny hidina eny anivon’ny sekoly mba hampianatra ny maha zava-dehibe ny sainam-pirenena toy izay nitranga teto an-drenivohotra ny alatsinainy 13 may maraina. Ho fanatanterahana izany dia nisafidy ny EPP sy ny CEG Anosibe, ao amin’ny boriborintany faha-4 ny komity izay notarihan’ny Filohany, ny Jeneraly Randraianantoandro Guerson mba hanome ohatra velona ny tokony hanajana izany fotoana fanangana-tsaina izany. Tao anatin’izany no nanazavana tamin’ireo mpianatra sy ireo mpampianatra ary ireo mpandraharaha rehetra ao amin’ireo sekoly ireo ny hevi-dehibe fonosin’ireo loko telo mandrafitra ny sainam-pirenena malagasy. Nampahatsiahivin’ity Jeneraly ity ihany koa ireo tolona nataon’ireo Raimandreny, toa an-dry Jean Ralaimongo sy ireo maro tsy voatanisa, ka nahazoana indray ny Fahaleovan-tena izay noesorin’ny mpanjana-tany tamin’ny Malagasy. Ankaoatra ny teny Anosibe, isan’ny nanaovana izao hetsika izao ihany koa ny teny amin’ny EPP 67 ha Atsimo sy Ampefiloha. Hetsika izay iarahana amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ka nisolo tena ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena mpisolo-toerana, Rejo-Fienena Félicité teny Anosibe nandritra izao fananganan-tsaina izao ny Tale jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
T.M.