- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversFankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena : Nisongadina ny firaisankinan’ny Foloalinadahy omaly teny Mahamasina

Fankalazana ny Fetin’ny Fahaleovantena : Nisongadina ny firaisankinan’ny Foloalinadahy omaly teny Mahamasina

Ny Minisitra Rakotonirina Richard nanokatra ny lalaon’ireo jeneraly

Hetsika iray nanasongadina ny firaisankinan’ireo Foloalidahy Malagasy no nanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny fetin’ny 26 jona 2022, Notanniverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny faha-62 taona ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy, omaly. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’ity fankalazana ny hetsika ara-panatanjahan-tena ka notanteraha omaly 3 jona 2022 teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny lalao « basket-ball » izay nandraisan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena ary ireo mpanao gazety anjara. Tonga nanomeha voninahitra izany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard, ny Minisitry ny Polosim-pirenena, ny “Contrôleur Général de Police” Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jeneraly Sahivelo Monja Delphin, ny Kaomandy ny Zandarimariam-pirenena, Rakotondrazaka Andry ary ny tale ny Kabinetra Miaramila eo anivon’ny primatiora, ny Jeneraly Zafisambo Ruphin Fortuna. Nafana tokoa ny fihaonana ary tena nahafinaritra sy nahafa-po ny rehetra izay nanatrika sy nanome voninahitra izany. Hita taratra fa tena misy tokoa ny firahalahiana eo amin’ireo samy mpitandro ny filaminana. Nandray anjara tamin’izany ihany koa ireo mpanao gazety noho ny fahatsapan’izy ireo fa  tsara ary tena ilaina izany firalahina izany ka mila ampitaina amin’ny vahoaka Malagasy. Nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena no nanambarany fa manoloana ny fankalazana ny faha 62 taona nahazahoan’i Madagasikara ny fahaleovantena dia miaramisalahy sy miaraka mifaly ny rehetra hanamarika ny fiandrianam-pirenena eo ambany fitarihan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA. Tsy nohadinoiny ihany koa ny nitondra ny teny fisaorana manokana ho an’Andriamatoa praiminisitra lehiben’ny goverinemanta, Ntsay Christian izay anisan’ny nanohana ny fikarakarana izao lalonana izao sy ny talen’ny kabinetra miaramila ny primatiora izay mpikarakara feno ity hetsika ity. Teo ihany koa ny fisaorana ireo rehetra nandray anjara tamin’izany satria dia tena tsapa tokoa, hoy izy ny fiarahana misalahy eo amin’ny mpitandro filaminana amin’ny asa fampandriana fahalemana ary mbola mitohy izany amin’ny fanatanterahana ny lalao toy izao ary toy izany ihany koa ireo mpanao gazety.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici