- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversFanodikodinana volam-panjakana : Ben’ny tanàna sy ny mpitam-bola, naiditra am-ponja

Fanodikodinana volam-panjakana : Ben’ny tanàna sy ny mpitam-bola, naiditra am-ponja

Dimy tapitrisa ariary no fantatra fa banga tao amin’ny volan’ny kaomina Anahidrano, Antsohihy, nandritra ny taona 2013. Fantatra izany tamin’ny fanadihadiana ifotony, nataon’ny avy ao amin’ny mpanara-maso ny volam-panjakana avy aty Antananarivo.  Raha ny vaovao voaray hatrany dia nametraka fitoriana avy hatrany ireto farany, tao amin’ny tribonaly tao Antsohihy.  Tsy olona lavitra tokoa no afaka mahita izay aty vilanin’ny kaomina izany fa tsy maintsy izay tompon’andraikitra tao amin’io toerana io. Raha ny vaovao voaray ary dia fantatra fa voarohirohy tamin’ity fanodinkodinana volam-panjakana ity ny ben’ny tanànan’ny kaomina Anahidrano, niaraka tamin’ny mpitam-bola. Nentina teo anoloan’ny Fampanoavana tany an-toerana izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy, ny herinandro lasa teo. Anatra ho an’ny sasantsany amin’ireo tompon’andraikitra mpanao ampihimamba ny vola tokony hanasoavana ny vahoaka tokoa raha ity tranga ity ary tokony hotohizana hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser