- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanodikodinana zaza tsy ampy taona : Mpandraharaha iray nahazo sazy miantona

Fanodikodinana zaza tsy ampy taona : Mpandraharaha iray nahazo sazy miantona

Tovovavy iray 16 taona no fantatra fa niharan’ny fanararaotana aranofo izay nataon’ny mpandraharaha iray. Raha ny fantatra dia nitondra vohoka io zaza tsy ampy taona io ka nanery azy hampitsahatra izany vohoka izany ity mpandraharaha ity. Nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ity tovovavy ity saingy sazy miantona 5 taona no azon’ilay mpandraharaha. Tsy afa-po tamin’ny didy nivoaka ny fianakaviana ary nampiakatra ny raharaha. Mpampianatra ilay zaza ihany koa no fantatra fa iray tsikombakomba tamin’ity lehilahy mpanodikodina zaza tsy ampy taona ity ary manao mpanelanelana ilay lehilahy sy ilay zaza. Manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany hijery akaiky ity raharaha ity ny fianakaviana mba tsy hiriaria sy ho afamaina ireo mpanararaotra ara-nofo zaza tsy ampy taona.Efa nametraka fitarainana eny amin’ny  ivontoerana miady amin’ny herisetra an’ny « association Fitia » ihany koa ny fianakaviana manoloana ity tranga ity.

Narindra Rakotobe

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici