Miisa fito izy ireo no voarohirohy tamina resaka fisolokiana, fanodinkodinam-bola ary fandrahonana olona ho faty. Enina tamin’ireo dia saika mpiasan’ny banky avokoa, saingy amina « agence » samihafa, hoy ny vaovao. Iray kosa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo, izay mpanao « taxiphone » eny amin’iny faritra Talatamaty ity. Vola mitentina roapolo tapitrisa ariary no very tamin’io fotoana io.
Ny zava-nisy, ny 13 mey lasa teo dia nisy vola mitentina 20 tapitrisa ariary tonga tao amina « compte »-n’ olon-tsotra iray, tao amina banky iray teto an-dRenivohitra, izay voalaza fa tsy azy velively fa an’ilay orinasa. « Ora vitsivitsy taorian’ io vola nirotsaka io dia nantsoina lehilahy iray ny tompon’ilay kaonty, fa diso làlana ilay vola ka tokony haverina (en espece). Tamin’izany dia nangataka taratasy fanamarinana tamin’ilay olona niantso ilay tompona kaonty vao hamerina io vola io ». Tsy nety namerina io vola io mihitsy ilay tompona « compte » ka niantso tsy tapaka azy ilay olona ary miovaova finday. Indraindray aza hoy ny vaova, dia somary manova feo izy no sady manao teny mahery ary tonga hatrany amin’ny fandrahonana ho faty mihitsy, raha tsy manome io vola io. Nanomboka teo no nametraka fitoriana tany amin’ny pôlisy ity olona ity. Nametraka fitoriana ihany koa ilay orinasa izay voalaza fa tompon’ilay vola, izay nilaza fa nisy nisoloky sy nanao hosoka ny « compte »-ny. Niainga teo araka izany ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana. Olona roa, vehivavy izay samy mpiasa tao amin’ilay banky, ary nahiahiana fatratra ho tao ambadik’ity fanodinkodinam-bola ity no natao famotorana voalohany. Fotoana vitsy taorian’izay, dia nipaka tamina lehilahy efatra ny ahiahy ary samy nosamborina sy nofotorana ihany koa ireto farany. Tamin’izay no nahafantarana, fa samy mpiasan’ireo banky avokoa ny nahavita ity heloka ara-bola niaraka tamina lehilahy iray tompona « taxi-phone », izay nampisain’izy ireo hiantsoana an’ilay tompona « compte » sy nentina nandrahonana azy. Omaly moa no vita ny fakàna am-bavany azy ireo teny anivon’ny pôlisy ary samy natolotra ny Fampanoavana teny Anosy izy ireo taorian’izay.
m.L