Mitohy hatrany ny tambajotra halatra kaontenera eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina ankehitriny. Tambajotra ahitana ny avy eo anivon’ny fadintseranana, ny orinasa Mictsl, ary ireo orinasa mpisahana ny famoahana entana sy orinasam-pitaterana amin’ny fiara vaventy. Nahatratra olona sivy no tao anatin’izany tambajotra mpangalatra kaonterena izany ny ladoany amin’izao, ka mpiasan’ny fadintseranan sy ny orinasa Mictsl avy ny telo. Ny efatra kosa mpiasan’ireo orinasa mpamokatra entana eo anivon’ny seranan-tsambo sy mpitatitra amin’ny fiara vaventy. Kaontenera lava 40’ feno “briquettes” ity nisy nanodina teo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina saika tratra ity. Raha ny angom-baovao dia tsy sambany vao nanao izao fanodinkondinana kaontenera ireto olona voarohirohy ireto nanao izany izy ireo saingy niravona an-dalana ny fanadihadiana. Amin’ity raharaha ity dia ny tale jeneralin’ny ladoany sy ny fadintsenana Malagasy mihitsy no mpitory, ka izany no nahatonga azy sivy lahy raha nampidirina polisy ny zoma alina tamin’ny 10 ora, dia ny maraina ny sabotsy ihany dia efa nalefa any Antananarivo hiatrika ny fakana am-bavany azy ireo eo anivon’ny fandintseranana Malagasy. Ho hita eo indray izany ny tohin’izao raharaha halatra kaontenera teto Toamasina izao.
Malala Didier