Mody nofaina ny fiara kinanjo zavatra hafa mihitsy ny tao ambadik’izany. Tsy nanam-po na inona na inona rahateo ny tompony, satria toa ny asa andavanandro ihany no natao. Nisy nanofa ny fiara ary nilaza fa hitondra fianakaviana mba hamonjy fisehoam-panambadiana ny antony hilana azy. Raikitra tokoa ary ny fifanarahana saingy rehefa teny an-dàlana dia niova tampoka ny fandaharam-potoana. Raha tao Andranovelona no nifanarahana dia noresahina ny mpamily fa hampiana ny vola ary mandeha any amin’ny tanàna iray izay mandroso kely amin’ny efa voatondro. Nekena izany satria tsy mbola hita soritra mihitsy hatreo ny maha-olon-dratsy ireo olona nentiny. Ao anatin’ny famonjena raharaha toa ireny rahateo dia matetika misy fiovan-javatra kely noho ny fifanomezan-tànana amin’ny mpanambady. Tsy nisy zava-dratsy neritreretina mihitsy ny mpamily izay sady tompon’ny fiara tao anatin’izany rehetra izany, indrindra koa rehefa nisy ny fifanarahana fa hampiana ny vola hofan’ny fiara. Kinanjo ilay toerana vaovao nizoran’izy ireo dia toerana hanatontosàna ny famonoana azy ary koa handevenana ny fatiny avy eo. Toerana izay niala kely telo kilaometatra an’Andranovelona ary somary mihidikiditra kely no namonoana ny mpamily. Nalevina tao anaty lobolobo avy eo ny fatiny. Nentin’ireo olon-dratsy nony avy eo ny fiara Starex. Na izany aza, tena nisy tokoa ilay fisehoam-panambadiana ary tena nandeha tamin’izany ireo olon-dratsy. Nisy nahatsikaritra anefa ny fivezivezen’ireo tao amin’ilay tanàna ary koa ny nisian’ny naratra tamin’ny sasantsasany. Teo dia efa nisy ny nampandre ny mpitandro ny filaminana. Vita ihany iny andro iny fa kosa rehefa tsy tafaverina tany an-trano ny fiara sy ny mpamily azy dia nanomboka nitaintaina amin’izay ny fianakaviana. Nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro ny filaminana izay misahana ny heloka bevava izy ireo ary nahomby izany, satria maro ny fifanandrifian-javatra izay nampanahy avy amin’ny famaritan’ny tompon-tanàna ny fisian’ny olona mampiahiahy nandritr’ilay fanambadiana izay niseho. Nandeha tamin’izany ny fanadihadiana ary teo no nahazoana ireo tanora efatra izay niaiky ny helony ary nanoro ny nandevenan’ireo ny tompon’ny fiara. Nitsangam-bolo ireo olona izay miasa amin’ny sehatry ny fampanofàna fiara raha naheno ny zava-nitranga. Efa fantatra ihany hatramin’izay ny fisian’ny olon-dratsy izay mikasa hatrany ny hangalatra fiara. Fa kosa rehefa nisy ny famonoana amin’ny fomba feno habibiana toa izay nitranga, mainka koa samy mailo ireo mpandraharaha.
D.R