Nitsangana ny fanofanana tanora te hiasa eny an-dranomasina eto Toamasina, izay iarahana amin’ny CSCS avy any ivelany. Fiofanana maromaro no ataon’ireo tanora mandritra izany izay haharitra 05 volana, ka ao ny fiteny anglisy, ny fomba fanasana lovia any anaty sambo, ny fikarakaraka fandriana sy ny efitrano fatoriana, ary ny fomba fanoloran-kanina ihany koa. Tsy ny rehetra anefa no afaka manao izany fa misy ihany ny fisafidianana mialoha ireo mpiofana, ary ireo vahiny mpitady mpiasa no manao ny fifantenana amin’ny fanadihadiana (entretient) ireo tanora mpiofana. Efa misy ny CSCS ny ao Mahajanga, ny ao Fianaratsoa, ny ao Antsirabe, ny ao Antananarivo, ary izao tonga eto Toamasina izay indray. Tena tombontsoa betsaka ho an’i Toamasina ny fahazoana izao fanofanana iraisam-pirenena amin’ny asa an-dranomasina izao, satria maro ireo tanora te hiasa an-dranomasina nefa tsy manana fahaizana na traikefa mikasika izany akory. Efa manomboka ny fifantenana ireo tanora afaka hiatrika izany fiofanana izany amin’izao, ka hanairana ireo tanora mba hiditra amin’ny matihanina. Raha ny fanazavana dia saika any Etazonia sy ny manodidina azy no miasa ireo tanora voaray avy aty Madagasikara, amin’ireo sambo karaiba sy amerikana mpitondra olona mpitsangantsangana.
Malala Didier
salama tompoko, inona no diplaoma takina @ lay asa anaty sambo azfdy. firy volana anaty sambo ary firy volana an-tanety tompoko!
Misaotra mialoha!
Salama tompoko aiza ho aiza eto Antananarivo no misy Fiofanana arak’asa CSCS io azäfady Tompoko