- Publicité -
mercredi, octobre 1, 2025
AccueilFaits-DiversFanokafana ny faha-25 taonan’ ny Taninketsa Amparibe Famonjena

Fanokafana ny faha-25 taonan’ ny Taninketsa Amparibe Famonjena

« Tsy ianareo no nifidy ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa ary mba haharetan’ny vokatrareo » Jaona 15 : 16

« Vous ne m’avez pas choisi ; mais moi je vous ai choisis, je vous ai chargé d’aller, de porter du fruit et du fruit durable »Jean 15 : 16

Hankalaza ny Jobily faha-25 taonany ny Sampana Taninketsa Amparibe Famonjena (STAF), ho fanokafana izany Jobily izany, dia hanatanteraka antsan-kira fideràna izahay, ny Zoma 18 desambra 2015 izao amin’ ny 6 ora sy sasany hariva, ao amin’ ny FJKM Amparibe Famonjena. Karazan-kira maro no hoventesin’ireo  taninketsa : hira fiderana, hira hitsenana sahady ny Noely, … .

Hetsika maro no kasaina mandritra izany jobily izany fa ny misongadina indrindra dia ny Sakafom-pifaliana lehibe sy ny Lasin-jobily.

25 Taona izay nanehoany taminay ny fitiavany sy ny fahasoavany.Tsy hainay ny hangina sy hitomoe- potsiny, koa dia ho fanomezam- boninahitra an’ Andriamanitra, Ray, Zanaka ary Fanahy Masina; izay mbola mampijoro ny Sampana mandraka androany, dia fifaliana ho anay ny manasa ny rehetra  tsy an-kanavaka hanatrika izany antsan- kira fiderana izany.

Io fotoana io no hiarahantsika rehetra miombona hisaotra , hidera sy hankalaza an’ Andriamanitra Raitsika. Tongava maro ho voninahitr’ Andriamanitra.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici