- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana ankizy tao Mahanoro : Efa hatramin’ny taona 2020 ny fanolanana

Fanolanana ankizy tao Mahanoro : Efa hatramin’ny taona 2020 ny fanolanana

Araka ny vaovao efa navoaka teto ny talata faha-2 novambra teo dia maty noho ny fanolanana natao azy ilay ankizivavy 12 taona. Nitombo ny vaovao voaray momba ilay mpanolana ka fantatra izao fa mpampiasa ilay ankizivavy ihany ilay nanolana azy, tao amin’ny fokontany Amboadiriana Mahasera kaominina Masomeloka ao Mahanoro no nitrangan’izany raharaha fanolanana nahafatesana  ankizivavy izany. Fantatra izao araka ny fanazavan’ny kaomisera, officier Tsima Angelo Felix, fa efa nanomboka tamin’ny taona 2020 ny fanolanana ity ankizivavy ity, fa noho ny fahasahiranana nisy tamin’ny fianakavian’ilay ankizivavy na efa nisy aza ny fitarainany tamin’ireo ray aman-dreniny ny manjo azy ataon’ny mampiasa azy dia tsy nisy vokany izany. Nambaran’ny polisy nanao fanadiadiana tao Mahanoro, izay mihazona ny raharaha ihany araka ny fantatra, dia maro ireo porofo nataon’ny mpanara-maso ny zon’ny ankizy nikarakara ilay ankizy raha tonga teto Toamasina, saingy tsy nahatana ny ainy, ka niainga tamin’izay avokoa ny fanadiadiana natao tamin’ity rangahy mpanolana ity. Ny vaovao voahangona hatrany no nahalalana fa tsy latsaky ny ankizivavy efatra tao an-tanana misy azy ireo no voaolan’ity raim-pianakaviana ity, izay miseho azy ho mpanam-bola amin’ny tanànan’izy ireo. Nijoro vavolombelona mihitsy ny zaodahin’ilay rangahy mpanolana fa ny zandrin’izy ireo vavy koa efa norahonan’ilay rangahy niharahana tamin’ny tsy nahatao an-trano ny vadiny. Efa nanomboka ny taona 2020 no efa narary noho ny herisatra ara-nofo nahazo azy ilay ankizivavy, ka notsaboana tao amin’ny dokotera tsy miankina tao Masomeloka izy hatramin’izay. Tao anatin’izay anefa dia mitohy hatrany ny fiarahan’ilay raim-pianakaviana amin’ilay anikizivavy, ka ny farany dia voatery nentina tao amin’ny hopitaly be Toamasina raha nanampan-kevitra ny hopitaliben’i Mahanoro fa aty Toamasina misy ny toeram-pitsaboana sahaza ny fanolanana tahaka izao. Efa nosamborina ny 30 oktobra teo noho ny zava-dratsy vitany ilay raim-pianakaviana ary nafindra nohazonina ao amin’ny kaomisarian’i Vatomandry miandry ny fampakarana azy fampanoavana ao an-toerana. Tamin’izao fihazonana ataon’ny polisy ilay raim-pianakaviana izao anefa dia tsy latsaky ny am-polony ny fanelanelanana ataon’ireo mpanao politika sy ireo mpandraharaha namany amin’ny polisy amin’ny famotsorana ity raim-pianakaviana mpanolana ity. Tsy manaiky lembenana ao anatin’izao fitoriana izao koa ny ray aman-drenin’ilay ankizivavy maty, fa mitazona azy ho namona ny zanak’izy ireo ilay raim-pianakaviana mpandraharaha ao Masomeloka ity.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici