Vao 15 taona monja ity ankizivavy ity ary miasa ao amin’ny tokantrano iray eny amin’iny faritra Ambohibao iny. Niharan’ny fanolanana avy tamin’ny mpampiasa azy izy ary mitondra vohoka tamin’io rangahy 48 taona io. Nadoboka eny Tsiafahy avy hatrany moa ity nahavanon-doza. Fanaon’ireo ankizy avy any ambanivohitra tokoa no tonga mitady asa aty an-drenivohitra rehefa fotoanan’ny maitso ahitra iny. Ankizy izay maro amin’izy ireny no tsy ampy taona akory. Maro amin’izy ireny no tsy mahafantatra izay atsimo sy avaratra eto akory fa na entin’olona avy any na tonga ho azy mandondona ao am-baravarana mitady asa. Rehefa sendra ny mpampiasa tsara dia tena tafita tokoa saingy rehefa ny olon-dratsy dia mitondra takaitra tahak’ity teny Ambohibao ity. Raha ny fampahafantarana nataon’ny zandary dia ankevitry ny efa ela tao amin’ity tokantrano iray ity izy. Ary efa ela ihany koa no niharan’ny fanararaotana ara-nofo tamin’ny patiraony. Voalaza fa nandritry ny herintaona sy tapany teo no niharan’ny herisetra ara-nofo tao foana izy, saingy tsy sahy niteny. Taty aoriana anefa, hitan’ireo fianakaviany fa nitondra vohoka enim-bolana vokatr’izay fanolanana izay ilay ankizivavy. Ary nahatapa-kevitra azy ireo hametraka fitoriana eny anivon’ny zandary. Nandray andraikitra avy hatrany ireto farany ary nisambotra tsy tamim-pisalasalana ity lehilahy mpampiasa azy nahavanon-doza ity. Niaiky ny zava-dratsy vitany ingahirainy nandritry ny famotorana azy. Natolotra ny Fampanaovana tsy ela teo. Mazava ho azy, tsy mandefitra mihitsy amin’ny resaka fanolanana ireo mpitsara mpanao famotorana ka nandefa ity rangahy ity avy hatrany eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L


