Nivoaka ny didy. Sazy mihatra telo volana an-tranomaizina no nomen’ny mpitsara an’i Jimmy, ilay lehilahy voampanga ho mpanolana sy nampihatra herisetra tamin’ireo mpivaro-tena maromaro teny Analakely. Notontosaina omaly tao amin’ny efitrano voalohany teny amin’ny Tribonaly Anosy mantsy ny fotoam-pitsaràna an’ity lehilahy ity. Nanomboka teo amin’ny iray antoandro teo izay ary naharitra ora vitsivitsy ihany. Isan’ny nahasarika ny sain’ny mpanara-baovao ity tranga somary hafakely ity tato anatin’ny roa herinandro izay, nanomboka tany amin’ny fotoana nisamborana an’ity lehilahy ity, ka hatramin’ny omaly, fotoana nitsaràna azy. Tomefy olona teny amin’ny fitsaràna, na dia hoe tonga hamantatra ireo niharam-boina tamin’izao tranga izao fotsiny aza ny an’ny sasany. Hadisoam-panantenana ny be indrindra angamba raha ny azy ireo. Ankavitsiana tokoa mantsy (ankoatr’ireo niafina), fa tsy toa nitovy tamin’ny fahamaroan’izy ireo ny afak’omaly alina teny Analakely nitafa tamin’ny mpanao gazety no tonga teny amin’ny fitsaràna omaly. « Saingy na tsy teny aza noho ny torohevitry ny mpitandro filaminana, dia naharaka tsara izay niseho teny izahay » hoy ny solon-tenan’izy ireo nantsoina an-tariby omaly hariva. Raha nanontaniana mahakasika izay niseho izay ary indrindra fa ny mikasika ny didim-pitsaràna, ity niresaka taminay ity dia nanambara fa tsy mahafa-po azy ireo velively ity sazy nomena ity lehilahy ity. Marihana fa tsy izay fampiharana herisetra tamin’ny mpivaro-tena izay ihany no nanenjehana an’i Jimmy fa teo ihany koa ny fitanana basy tsy nahazoana alalàna ary ny tsy fananana fahazoan-dalàna mitondra fiara.
m.L





