Rehefa vandana tokoa dia kary ary rehefa nanao ratsy dia tsy maintsy mibaby ny vokatry ny nataony, eny fa na dia olona nilaza fa « mpiasan’ny Fitsaràna » aza. Natolotra ny Fampanoavana omaly ilay raharaha nahavoarohirohy ny tovolahy iray mpiandry vavahadin’ny Fitsaràna eny Anosy, izay nohenjehina ho nahavita nampihatra herisetra ara-nofo tamin’ny ankizivavy iray teny amin’iny faritra Antaninarenina iny. Nandray fanampahan-kevitra avy hatrany moa ireo mpitsara mpanao famotorana ny hampidoboka azy any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsaràna. Raha tsiahivina dia sendra nahita ankizivavy kely iray nirenireny sy toa very saina teny amin’iny faritra Andohatapenaka iny ny anao lahy. Samy nisahirana sy niasa loha ny amin’ny hanaovana an’ity tovovavy kely ity moa ny rehetra nitangorona. Tao ireo nandefa filazàna haingana tamin’ny alalan’ny tambajotra sosialy sao mba misy havany na fianakaviana mahafantatra. Lehilahy iray nilaza ho mpiasan’ny fitsaràna no nanolo-tena avy hatrany, hitondra azy any amin’ny kaomisarin’ny polisy etsy 67 ha. Tsy izay anefa no tena tanjony. Fa nentiny tany Antaninarenina ilay tovovavy ary nampiharany ny filàn-dratsiny ny alina tontolo. Ny marainan’ny sabotsy teo mbola saika nentiny tsy fantatra hoe aiza no tra-tehaky ny polisy tetsy Sabotsy Namehana rehefa nandray an-tanana tamin’ny fikarohana azy ireo mpitandro filaminana ny hariva sy ny alin’ny zoma. Niaiky moa ranamana, nandritra ny famotorana azy fa nanolana ity ankizivavy ity, izay voamarina tokoa fa niharan’izany.
m.L