Vokatry ny fijerena horonan-tsary mamoafady diso tafahoatra, lehilahy iray no nosamborin’ny pôlisy ary nadoboka am-ponja vonjimaika noho ny fanolanana zaza tsy ampy taona, tany amin’iny distrikan’i Miarinarivo iny.
Tovolahy vao 16 taona monja izy io ary mpianatra. Ny alatsinainy lasa teo no tra-tehaky ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Miarinarivo raha hita nihaodihaody teny an-tsena.
Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena hatrany dia nitranga fanolanana zazavavy kely vao valo taona monja tany amin’iny toerana iny ny voalohandohan’ny volana teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. « Nofitahin’ity lehilahy ity ilay zaza, fa handeha hitady vola, raha nilalao teo an-tokotaniny. Rehefa nandalo toerana nisy ala ala izy ireo, dia teo no nanaovany ny filan-dratsiny. Nambanany antsy ilay zaza mba tsy hiantso vonjy ary natsofony tany ambavan’ity zaza ny filahiny ka norahonana, fa tsy maintsy hateliny ny ranonainy fa tsy azo arora » hoy hatrany ny vaovao azo.
Olona tsara sitrapo, mpifanila vodirindrina tamin’ity zaza lasibatry ny filan-dratsin’ity tovolahy ity no nampilaza ny pôlisy. Niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay olon-doza nahavita izany izy ireo. Tsy sarom-pantarina loatra ity farany, satria ankevitry ny mipetraka any amin’iny faritra iny ihany.
Fito andro taty aorian’ny nitrangan’ io fanolanana io, dia tsikaritry ny mpiray monina, fa mihaodihaody tao an-tsenan’i Miarinarivo ingahirainy. Napetraka ny vela-pandrika ary noraisim-potsiny teo izy. « Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza, fa noho ny fijerena ireny horonan-tsary mamoafady ireny no nahatonga azy nanao izao fanolanana izao » araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Omaly moa ity farany no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany taorian’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana. Any izy aloha izany misaintsaina ny zava-bitany, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L