- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana : Naolany nandritra ny efatra taona ny zana-badiny tsy ampy taona

Fanolanana : Naolany nandritra ny efatra taona ny zana-badiny tsy ampy taona

Tsy naharitra intsony ny manodidina koa dia nanapa-kevitra ny nitondra ilay zaza tany amin’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona teny Anosy tamin’ny faha-28 novambra lasa teo. Araka ny vaovoa voaray avy amin’ny mpitandro filaminana, efa ho efatra taona no niharan’ny herisetra ny zazavavy kely iray. Herisetra izay narahana fametavetana azy. Vao 8 toana monja mantsy izy dia efa novetavetain’ny raikeliny. Ny vaovoa hatrany no nahafantarana fa tsy afaka nilaza ny zavatra nanjo azy mihitsy ilay zaza noho ny tahotra. Mpiasa amin’ny orinasa afakaba ny reniny ary matetika tsy ao an-trano. Izany no nohararaotin’ity lehilahy. Tratra ihany anefa izy taty aorina. Ny sabotsy faha-29 novambra teo ilay rangahy 34 taona no nosamborin’ny polisy. Voalaza, araka ny vaovao hatrany, fa tena niaiky ny zavatra vitany izy. Rehefa fantatra ny zava nisy, tsy nalefa nody tany amin’ny trano nisy ilay lehilahy intsony ity zaza ity fa napetraka tany amina olona tsara sitrapo nandray azy. Omaly voalohan’ny volana desambra no natolotra ny Fampanoavana ilay raikely feno habibiana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser