Tsy nisalasala ny fitsarana ady heloka bevava namoaka didy famonjana asa an-terivozona folo taona, ho an’ingahy Lezoma Frederic 28 taona monina ao Ambolomadinika fokontany Valavohitra kaominina Mahatsara ao amin’ny distrikan’i Brickaville. Raha ny voalazan’ny antontan-taratasin’ady niakatra teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana ambony Toamasina, dia ny alin’ny 25 jona nifoha ny 26 jona teo, dia nanolana tovovavy 22 taona tra-pahasembanana izay mbola narahana daroka sy vono izay nitarika ny fahafatesany ingahy Lezona Frederic. Raha araka ny filazan’ilay voampanga dia nararaotiny ny olona rehetra variana nanao fety any amin’ny efitrano ambadika, ka novakiany ny rindrina falafa ary niditra ny tenany; ilay zatovovavy sembana nandritra izay nidin’ny ray aman-dreniny tao an-trano ka nohararaotin’ingahy Lezoma Frederic tao an-tranony tao. Nandritra izany dia nesoriny ny takokenatra ilay tovovavy ka nataony teo ny filan-dratsiny rehetra taminy. Vao iny nivoaka iny anefa ingahy Lezoma Frederic avy nahavita ny filan-dratsiny dia niantso vonjy ilay tovovavy sembana, ka niverina namely totohondro indroa ilay tovovavy teo amin’ny tavany ary lasa manganabe ny masony ary nadeha rà ny orony. “Mba tsy niantsoany vonjy no nanaovako izany taminy” hoy ingahy Lezoma Frederic teo anoloan’ny fitsarana ady heloka bevava. Vokatra izany anefa na notsaboina teo anivon’ny hopitalin’i Brickaville aza ny tenany dia tsy tan any ainy; ka raha nivoaka ny didin’ny fitsarana ady heloka bevava Toamasina, fa voaheloka hanao asa an-terivozona an-tranomaizina folo taona ingahy Lezoma Frederic, noho izy nanolana sy nidaroka nitarika fahafatesana.
Malala Didier