Voasambotra teny Anosy ny lehilahy iray, 23 taona, ny alarobia teo, voalaza fa nanolana ny zana-badiny, zazalahy kely vao 8 taona monja. Ny alatsinainy heriny teo, nandeha nitsoaka nankany amin’ny nenitoany eny Angarangarana Anosibe ilay zaza. Nilaza izy tamin’izany fa marary ny kibony. Rehefa nojerena dia nahitana tsiranoka miaraka amin’ny rà ny pataloha nanaovany. “Hita fa nipotsaka ihany koa ny tsinaim-bodiny, tsy afaka mipetraka izy ary tsy maintsy mihorirana rehefa matory”, hoy ny polisim-pirenena. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA nanaovana fizahana ary fantatra fa voaolana ilay zaza. Ny talata, nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoavana ny fianakaviany ary nankinina tamin’ny PMPM Anosy ny fanokafana ny fanadihadiana. Nandray ny andraikiny ny polisim-pirenena, ka ny ampitson’io ihany dia voasambotra teny Anosy ilay nahavanon-doza, izay tsy iza fa ny raikelin’ilay zaza ihany. “Efa matetika no manao ny filan-dratsiny amin’ity zaza ity io lehilahy io. Isaky ny harivariva dia asainy miantsena ilay ramatoa vadiny, eo no anatanterahany ny habibiany. Omeny 100 ariary kosa ilay zaza rehefa vita izany”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Amin’izao fotoana izao dia manaraka fitsabona eny amin’ny hopitaly ilay ankizy ary handalo fandidiana. Niatrika fampanoavana ilay rangahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Yv Sam