- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanolanana sy famonoana zazavavy : Efatra mianadahy voasambotra ary nadoboka am-ponja

Fanolanana sy famonoana zazavavy : Efatra mianadahy voasambotra ary nadoboka am-ponja

Olona 4 mianadahy no voarohirohy tamin’ny famonoana ilay zazavavy kely, Christina, 7 taona tany amoron’ny Saha Manolontrony. Efa voasambotry ny polisim-pirenena eto Ambositra izy ireo ary nalefa any amponja omaly hariva rehefa avy natao fanadihadiana. Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nahalala ilay olona nitondra an’i Chiristina tamin’ny 10 septembre 2021 tokony tamin’ny 5 ora hariva niala ny tranon’ny ray aman-dreniny omalin’ny nahitana ny razana. Nosamborina avy hatrany ilay vehivavy ary niaiky izy fa nitondra ilay zazavavy tamin’io fotoana voalaza io. Nandà ny famonoana azy kosa izy ka nanondro mpivady hafa naniraka azy naka ilay zaza rehefa notambazan’izy ireo 100 000ar raha ny voalazany. Nosamborina avy hatrany koa ireo mpivady ireo ary nambaran’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena fa ho sarotra amin’izy ireo ny ho afaka amin’ity raharaha mamoafady ity.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici